Mot du Curé 2008 (en malgache)

Vatsim-panahy sy toro marika manokana avy amin'ireo Pretran'ny Paroasy

Hafatra 2008

  

Andriamanitra  monina   amintsika

Tonga Nofo tokoa Andriamanitra ka nanaiky hiaraka amintsika isan’andro. Eny, toa miara-dalana amintsika aza Izy. Mihaino ny vavaka ataontsika isan’andro, mahita ny fiainantsika, hatrany anaty fanahy aza dia tazany avokoa. Na inona na inona zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy dia tsy takon’afenina eo anatrehan’Andriamanitra izany. Na dia mbola tsy mangataka aza isika dia efa fantatr’Andriamanitra ny ao am-pontsika tsy miloaka ao, indrindra moa fa ny ao an-tsaintsika. Tsapantsika ary ve izany fitiavan’Andriamanitra antsika izany ; Izy mantsy dia sady monina eo  sy ao amintsika

 1 - Andriamanitra monina eo amintsika


IZY no Emanoela izany hoe Andriamanitra amintsika (Mt1,23). Tsy misy Andriamanitra tonga ho azy izany, fa fitiavana matoa Tonga Nofo Andriamanitra Zanaka. Fitiavana maimaipoana tsy mitaky valiny na mila tambiny. Velona eo anivontsika IZY raha tena manam-pinoana marina isika ; “Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho” (Mt18,20). Tsy irery akory isika, fa miaraka amin’Andriamanitra hatrany. Io Andriamanitra io tsy mba mandao, fa ny olona no mety mandao na mivadika. 

        Eo amin’ny Fiangonantsika Izy, eo amin’ny fianakaviantsika, eo amin’ny faritra na toerana misy antsika tsirairay avy. Eo amin’ireny madinika sy mahantra ary fadiranovana izay mila vonjy amintsika ireny izy ; “ Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko” (Mt 25,40)

        IZY dia nampanantena fa hiaraka amintsika isan’andro, eny hatramin’ny mandrakizay : “ Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”. Fa rahoviana ny farany? Tsy mba Andriamanitra mandalo no ivavahantsika, fa ilay Andriamanitra eo amintsika mandrakariva. Ampitomboy ary ny finoantsika, fa miaraka amintsika Andriamanitra, miaraka tsy mba mahafoy, tsy manary, tsy manadino...

 2 - Andriamanitra monina ao anatintsika

IZY no monina ao anatintsika amin’izao fotoana izao : " Koa ankehitriny tsy isika no velona fa i Krisity no velona ao anatintsika”(Ga 2,20). Velona Andriamanitra ao anatintsika sady mihaino ny vavaka ataontsika isan’andro na dia tsy miteny aza isika. Ireny vavaka mangina ataontsika ireny no tena hamatarantsika fa misy Andriamanitra mihaino ny fijaliantsika sy ny fahoriantsika ary ny sentom-pontsika tsirairay avy Izy. Avelao Andriamanitra hanjakazaka ao am-pontsika sy hiteny ao anatintsika ao.

       

 IZY no mitoetra ao anatintsika ary nilaza hoe “Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo”(Jn15,5)

 Ny Eokaristia izay raisintsika dia manamafy fa mitoetra amintsika Andriamanitra ; “ Mitomoera ao amiko, ary izaho hitoetra ao aminareo” (Jn15,4)

 Tiantsika hitoetra maharitra ao amintsika ve Andriamanitra? Raiso am-pitiavana sy am-pinoana IZY amin’ny alalan’ny Eokaristia ; “ Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin’ny Ray ; toy izany koa no ahahavelona amiko izay mihinana ahy” (Jn6,57-58). Tonga miray tena sy miray aina ao amintsika Andriamanitra vokatry ny Eokaristia. Ny fiainana ao anatintsika ao, dia tontolo hanjakan’Andriamanitra, hany ka ny feon’ny fieritreretana aza, dia ataontsika hoe feon’Andriamanitra mibitsika avy ao anatintsika

 
 

Révérend Père Curé

Rakotonirina Jean Alfred

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement