Mot du Curé 2009 (en malgache)

Hafatry ny Pretra 2009

" Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo dia nanao izany tamiko » (Matio 25,40) "

Ry kristianina havana,
Hampitomboina mandrakariva ao amintsika anie ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo izay niantso antsika ho ao aminy .

Ny Hafatra 2008 moa dia niompana tamin’ny hoe « Andriamanitra monina eo sy ao amintsika ». Eo amin’ireny madinika sy mahantra ary fadiranovana izay mila vonjy amintsika ireny Andriamanitra ka izany no antony nisafidianako ny Mt 25,40 mba ho teny faneva sy hanentana antsika amin’ity taona 2009 ity.

Hanomboka taona vaovao isika mianakavy ka ho fo, saina, fanahy vaovao koa no hiatrehantsika izany. Ny ezaka heveriko fa mila havaozina sy hanaovana ezaka manokana amin’ity taona ity dia ny lafiny ara-tsosialy no asiana tsindrim-peo bebe kokoa satria ny Diosezy vao avy nanao sinody tamin’ny taona 2008 dia nandray ho zava-dehibe ny fampivoarana ny maha-olona. Iray amin’ireo fanamby atrehantsika mantsy io.

Ny hatao eto amin’ny Paroasy misy antsika ary dia ireto manaraka ireto :
 Fanohanana ny Centre Victoire RASOAMANARIVO ara-pitaovana sy ara-bola ary arak’olona satria mila mpampianatra ny ao. Isaorana sahady ny efa mamaly ny antso  Fananganana indray ny Caritas eto amin’ny Paroasy sy ny faritra ary isaky ny APV  Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin-dry Masera Bon Pasteur momba ny dispensaire ary ny fanamafisana ny fijoroan’ny Vaomiera momba ny fahasalamana  Cantine scolaire  Bibliothèque ho an’ny Tanoran’ny Paroasy

Tsy àry ho vita ao anatin’ny herintaona ireo fa atomboka aloha izay mety ho vita.

Alao hery àry fa araka ny voalazan’i Jesoa dia « Izay ataonareo amin’ny rahalahiko kely indrindra ireny dia amiko no anaovanareo izany ». Io no teny faneva hanentanana antsika rehetra mandritra ity taona ity

Hitahy antsika hatrany anie Andriamanitra, ka « Fahasoavana anie ho an’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy lefy » (Efeziana 6,24)

Mompera Curé

RATOVOSON Frédéric
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement